Rehefa manisy mari-pamantarana ny loharano iray ianao dia mamadika izany ho lasa antsipiriany voatanisa ao amin’ny pejin’ilay olona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Ny safidy hahafahana mamorona mari-pamantarana dia miseho eo amin’ny tsanganana ankavian’ny Fampifandraisana Loharano aorian’ny fanindrianao ilay bokotra Hampitaha izay miloko volomparasy.

Inona avy ireo karazana sokajina mari-pamantarana?
Miankina amin’ny fampahalalana ao amin’ilay loharano, azonao asiana mari-pamantarana amin’ny alalan’izay antsipiriany rehetra voalaza ao amin’ny pejin’ilay olona ny loharano, ka tafiditra ao anatin’izany ny:
- Anarana
- Fahaterahana
- Fahafatesana
- Lahy sa vavy
- Fanolorana zaza ao am-piangonana
- Fandevenana
- Toeram-ponenana
Raha hanisy mari-pamantarana antsipiriany iray amin’ny loharano iray dia tsindrio ny efajoro izay mipoitra eo akaikiny. Azonao esorina avy amin’ny antsipiriany manokana iray ihany koa ny loharano iray amin’ny alalan’ny fanesorana ny marika ao amin’ilay efajoro fanamarihana.