Aiza no ahitako ny laharan’ny firaketa ahy ao amin’ny Fiangonana?

Raha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao dia afaka mahita ny laharan’ny firaketana anao ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny toerana maromaro:

  • ChurchofJesusChrist.org sy application Outils pour les membres ho an’ny finday - Ireo mpikambana dia afaka mahita ny laharany manokana sy ny laharan’ny zanaka miankina aminy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org
  • Mpitamboky - Jereo ny Localisateur d’église ho anccny toerana misy ny trano fiangonana.
  • Récapitulatifs des ordonnances individuelles (Famintinana ny ôrdônansy an’ny tena manokana)- Afaka mahazo an’io amin’ny mpitamboky ianao.
  • Fahazoan-dalana hidirana ny Tempoly - nosoratana amin’ny tanana eo amin’ny Fahazoan-dalanao hidirana ny Tempoly ny laharan’ny firaketanao ao amin’ny Fiangonana. Eo amin’ilay hoe Navoaka tamin’ny volana sy Navoaka tamin’ny taona no ahitana azy. Ny efajoro misy ny laharan’ny firaketana ao amin’ny Fiangonana dia misy ohatra amin’ny laharan’ny firaketana. Manana laharana ihany koa ny code barre eo amin’ny sisiny. Tsy laharan’ny firaketana ao amin’ny Fiangonana ilay laharan’ny code barre. 

Fanamarihana: Ny mpikamban’ny Fiangonana vao vita batisa dia mahazo laharan’ny firaketana ao amin’ny Fiangonana eo amin’ny 24 ora eo ho eo aorian’ny nandefasan’ny mpitambokin’ny paroasy, sampana, distrika, na misiôna ny fampahalalana any amin’ny Departemanta misahana ny maha-mpikambana eo anivon’ny Fiangonana. Ny mpitamboky dia tsy afaka mamorona Famintinana ny ôrdônansy an’ny tena manokana mandra-pahavitan’io lamina arahina io.

Raha mandray hafatra manambara tsy fetezana ianao mandritra ny fisoratana anarana izay milaza fa diso ny fampahalalana momba ny maha-mpikambana anao, dia hamarino azafady fa ny fampahalalana ampidirinao dia mifanaraka amin’ny fampahalalana ao amin’ny Famintinana ny ôrdônansy an’ny tena manokana (azo alaina any amin’ny mpitambokin’ny rantsana misy anao), ary avy eo dia miresaha amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch

Nanampy anao ve ity?