Nahoana ireo razambe avy any Azia no manana olana eo amin’ny lahatahiry maro be ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Share

Raha manana razambe sinoa na japoney na koreana ianao dia mety hahita tsy fetezana tsy ampoizina amin’ireo daty mifandraika amin’ireo trangam-piainan’ny razambenao. Izao no antony: 

  • Asehon’ireo lahatahiry sy teknôlôjia tsaratsara kokoa fa misy firaketana miverin-droa ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Misy firaketana miverin-droa ho an’ny olona iray kanefa manana fampahalalana notombanana samy hafa.
  • Rehefa azo atao dia ezahin’ny FamilySearch atambatra ho firaketana tokana ireo firaketan’ny tempoly miverin-droa. Antsoina hoe fanatambarana io dingana io.  
  • Raha misy daty samy hafa ho an’ny trangam-piainana iray ireo firaketana miverin-droa dia izay daty nalefa vao haingana indrindra no miseho amin’ilay firaketana vao natambatra ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Indraindray dia diso ilay nalefa vao haingana indrindra. 
  • Asaina ireo mpampiasa mba hanitsy ireo diso rehefa mahita izany izy ireo. Alaivo antoka ny hampiditra filazana ny loharano na anton’izany rehefa manao izany ianao. 

Ity manaraka ity dia manazava amin’ny antsipiriany tsara kokoa ny fomba fitrangan’ireo tsy fetezana ireo sy ny fomba tena tsara atao aminy. 

Fanazavana ireo tsy fetezana

Rehefa voafetra ny fahafahana mahazo ireo antontan-taratasy manan-tantara dia indraindray ireo mpampiasa ny FamilySearch no manombana ny datin’ireo trangam-piainana manan-danja indrindra ho an’ireo razambeny. Toy izany foana hatrizay no nitranga ho an’ireo mpanjifa manana razambe sinoa sy japoney ary koreana.  

Ankoatra izany dia olona maro tsy nifampiankina no nahaforona rakitsoratra maro ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana nandritra ny taona maro, izay ho an’ny olona iray ihany. Ireo no antsoina hoe rakitsoratra miverin-droa, ary indraindray izy ireo dia ahitana fampahalalana mifanipaka. 

Rehefa azo atao dia ezahin’ny FamilySearch karohina ireo miverin-droa ary atambany ho rakitsoratra tokana. Rehefa mifanipaka anefa ny daty avy amin’ireo firaketana natambatra dia tsy maintsy misafidy daty haseho eo amin’ilay firaketana natambatra ny rafitra. Amin’izao fotoana izao dia ny daty nampidirina vao haingana indrindra tao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana no safidin’ny rafitra. 

Mety ho diso mazava ho azy ny daty nampidirina vao haingana indrindra. Fantatray izany ary efa misy firaketana ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana mihitsy nomarihinay ho misy olana eo amin’ny lahatahiry. Manantena izahay fa haka fotoana hanitsiana an’ireo tsy fetezana ireo ianareo reheta mahita izany. 

Ezaka itambarana

Isaky ny manao fanitsiana ianao dia alaivo antoka ny hanolotra loharano raha azo atao, na farafaharatsiny filazana antony an-tsoratra mazava tsara izay manamarina ny fanovana ataonao. Rehefa ataonao izany dia mety hisoroka ny hanovana na hanafoanan’ny mpampiasa hafa izay misalasala amin’ilay fanovana. 

Rehefa ny FamilySearch no voalaza ho tompon’antoka

Talohan’ny 1994 dia nomanina tanana ireo karatra misy ny anarana nalefa ho an’ireo ôrdônansin’ny tempoly tao amin’ireo tempoly sinoa sy japoney ary koreana. Na dia voatahiry tsara aza ny fampahalalana momba ny ôrdônansy ao anatin’ireo karatra ireo dia tsy voatahiry toy izany ny anaran’ireo tompon’antoka tamin’izany. Izany no mahatonga ireo mpampiasa ny FamilySearch ankehitriny mahita ny anarana hoe “FamilySearch” ho tompon’antoka amin’ny fampahalalana iray manokana.  

Nanampy anao ve ity?