Misy endriny vaovao an’ny renimpejin’ny FamilySearch navoaka. Nilaina io fanovana io satria efa lasa lany daty ny teknôlôjia nampiasaina namoronana ilay endriny teo aloha. Tsy nahafahana nampiditra endrika fiasa vaovao na hanaovana fanavaozana tsotra akory aza ilay rafitra efa lany andro.
Endrika fiasa vaovao
Na dia nitaky ny hifindrana amin’ny rafitra vaovao tanteraka aza ity fanavaozana ity dia notazonina ireo fitaovana sy endrika fiasa izay mahazatra anao ny mampiasa azy. Nampianay endrika fiasa vitsivitsy vaovao ihany koa izany.
- Lisitry ny namana vaovao sy fitaovana iray hikirakirana ny lisitr’ireo namana.
- Fomba iray hizarana zavatra aely an-tserasera sy hahitana ireo zavatra aelin’ny namana aminao.
- Mahita mora ireo razambe amin’ny fikarohana iray izay mamoaka vokatra momba ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana, rakitra ara-tantara, fahatsiarovana, ary anaram-pianakaviana.
- Fizarana iray antsoina hoe Ny fomba hanombohana ho an’ireo mpitsidika vaovao;
- Tari-dalana nohavaozina izay misy toerana be kokoa (ho an’ny solosaina birao) mba hanombantombanana ireo tari-dalana ho an’ny firaketana.
Mba ampahafantaro anay ny eritreritrao momba io fanavaozana io amin’ny alalan’ny fanindriana na fikitihana ny bokotra Fanehoan-kevitra eo amin’ny ilany ankavian’ny efijery.