Manisy tenifototra hamantarana olona ao amin’ny fahatsiarovana iray

Share

Ireo tenifototra famantarana dia mampiseho hoe iza no asongadina ao amin’ny fahatsiarovana iray—ny olona eo amin’ny sary, tantara na raki-tahiry.

Fomba fampiasana tenifototra famantarana

  1. Raha sary ilay izy dia ataovy aloha izay hahafahana manisy tenifototra famantarana amin’ny alalan’ny fisafidianana ny Hanisy tenifototra hamantarana olona. Avy eo dia tsindrio mba hisafidianana ny faritra mifanandrify amin’izany eo amin’ilay fahatsiarovana (toy ny tarehy na anarana).
  2. Raha toa ka tantara na raki-tahiry ilay izy dia tsindrio ny Hanisy tenifototra hamantarana olona eo amin’ny zoro ankavanana ambany.
  3. Avy eo dia karohy ny anaran’ilay olona amin’ny alalan’ny fampidirana anarana na ny laharam-pamantarana ilay olona eo amin’ny vakizoro misy an’ilay hoe Hanisy tenifototra hamantarana olona. Raha tsy mahita ilay olona eo amin’ny hazon’ny tetiaranao izany dia azonao ampidirina an-tanana ilay anarana.

Zavatra hafa fanampiny

Ahoana no fomba hametrahako tenifototra famantarana eo amin’ny fahatsiarovana an’ireo razambeko na ireo havako?
Ahoana no fomba hanampiako na hanesorako tenifototra famantarana hiala ao amin’ny ireo Fahatsiarovana?

Nanampy anao ve ity?