Ny Fampifandraisana Loharano dia misy bokotra fanesorana miloko manga sy bokotra fanesorana miloko mavo. Ny tsirairay amin’ireo dia manala ny fifandraisana eo amin’ny loharano iray sy ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana saingy noho ny antony samy hafa.

Bokotra fanesorana miloko manga

Ny bokotra fanesorana miloko manga dia midika fa efa mipaingotra amin’ilay olona ao amin’ny tsanganana ankavanana ny mombamomba ilay loharano ao amin’ny tsanganana ankavia.
- Raha izay no mitranga dia hanala ny fifandraisana eo amin’ny fampahalalana ao amin’ireo tsanganana roa ny fanindriana ilay bokotra manga.
- Raha tsy efa azonao antoka fa milaza olona roa samy hafa ny loharano (tsanganana ankavia) sy ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana (tsanganana ankavanana) izay vao tokony tsindrinao ny bokotra fanesorana manga.
Any aoriana any dia mety hiverina ao amin’ilay loharano na ianao na ny mpikaroka hafa ka hanapaingotra azy amina olona hafa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch.
Bokotra fanesorana miloko mavo

Ny bokotra fanesorana miloko mavo dia midika hoe mipaingotra amin’ny olona hafa amin’izay hitanao ao amin’ny tsanganana ankavanan’ny Fampifandraisana Loharano ilay loharano (tsanganana ankavia).
- Raha izay no mitranga dia hanala ny fifandraisana eo amin’ny loharano sy ny mombamombana olona hafa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ny fanindriana ilay bokotra fanesorana miloko mavo.
- Raha tsy efa azonao antoka fa olona iray ihany ireo olona hitanao ao amin’ireo tsanganana roan’ny Fampifandraisana Loharano ary fahadisoana ilay fanapaingorana teo aloha vao tokony tsindrinao ilay bokotra fanesorana miloko mavo.
Rehefa nanaisotra ilay loharano tamin’ilay mombamombana olona hafa ianao dia afaka manapaingotra izany amin’ilay olona ao amin’ny tsanganana ankavanan’ny Fampifandraisana Loharano.