Fifandraisana amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ao amin’ny FamilySearch: FAM

Ny FamilySearch dia iray amin’ireo angon-drakitra momba ny tetiarana lehibe indrindra eran-tany, nalaina avy tamin’ny loharanom-baovao sivily, ara-pivavahana ary hafa mba hojeren’ny mpikaroka tsirairay noho ny hasarobidiny ara-tetiarana. Ny Rafi-tetiarana FamilySearch izao dia manome fahafahana ho an’ny mpampiasa izany handrakitra ny rohim-pihavanana eo amin’ny samy lahy na samy vavy.   

Mifanaraka amin’ny fotopampianaran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny fanambadiana eo amin’ny olona tsy mitovy fananahana ihany no azo ankalazaina na fehezina any amin’ny tempoly.

Fanavaozana ireo F&V momba ny Fifandraisana ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch

1. Nahoana no manao toy izao ny FamilySearch?

Ny application Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia natao hamporisihana ny fahamarinana ny tetiarana mifototra amin’ny loharanom-piraketana. Ny Rafi-tetiarana dia manome fahafahana ho an’ny mpampiasa handrakitra ny fifandraisan’ny fianakaviana rehetra, ao anatin’izany ny fanambadiana sy fananganan-janaky ny samy lahy na samy vavy. 

2. Moa ve izany fanovana ny fotopampianaran’ny Fiangonana?

Tsia. Ny FamilySearch dia mikatsaka ny hitahiry sy hanome fahafahana miditra amin’ny firaketana ara-tetiarana sy ara-tantara, ary anisan’ny ezaka ataony amin’ny firaketana marina ny fianakavian’olombelona izany. Ny Fiangonana dia mankalaza na mamehy ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray ihany. 

3. Azo fehezina ve ireo lahy samy lahy na vavy samy vavy?

Tsia. Mifanaraka amin’ny fotopampianaran’ny Fiangonana dia tsy fehezina ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, na dia efa nivady ara-dalàna aza izy ireo. Ny olona iray nodimandry izay niaina tao anatin’ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy na nandray anjara tamin’ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy dia afaka mandray ireo fombafomba ara-pivavahana hafa rehetra misy ao amin’ny tempoly ka feno ny fepetra ahazoany izany. 

4. Azo fehezina amin’izy ireo ve ny zanaka avy amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy mpivady?

Tsia. Mifanaraka amin’ny fotopampianaran’ny Fiangonana, ny zanaka dia tsy fehezina amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy mpivady, na dia efa nivady ara-dalàna aza izy ireo. 

5. Moa ve ny FamilySearch no tranonkala voalohany mamela ny firaketana ny fifandraisan’ny samy lahy na samy vavy?

Tsia. Ny FamilySearch dia tsy ny tranonkala voalohany mamela ny firaketana ny fifandraisan’ny samy lahy na samy vavy.  

6. Inona avy ireo fanovana ho hitako ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Rehefa mampiditra vady na ray na reny, izao ny mpampiasa dia afaka mampiditra vady na ray na reny mitovy fananahana.  

7. Inona no nilaina mba hanampiana ilay fampiasa?

Rafitra maromaro manodidina ny Rafi-tetiarana, toy ny Tetiarana sy ny fikarohana rakitsoratra no tsy maintsy naverina novolavolaina be mba ahafahana mirakitra antontan-taratasy momba ny fifandraisan’ny samy lahy na samy vavy talohan’ny namoahan’ny Rafi-tetiarana ity fampiasa ity.  

8. Mandeha ve izany ao amin’ny appli Rafi-tetiarana ho an’ny finday?

Eny. Handeha ao amin’ny appli ho an’ny finday izany rehefa mampiditra ny fanavaozana ilaina ny mpampiasa. 

9. Afaka mandefa fahatsiarovana (sary, tantara, antontan-taratasy) ve aho izay mifandray amin’ny ny fifandraisan’ny samy lahy na samy vavy?

Ny fenitry ny fandefasana fahatsiarovana (sary, tantara, antontan-taratasy) dia mitovy ho an’ny mpampiasa rehetra, ary araho ny Torolalana sy fitsipika mifehy ny fampidirana zavatra ao amin’ny FamilySearch.

Zavatra mifandray aminy

Ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia manampy ny fahafahana handrakitra ny fifandraisan’ny fianakaviana rehetra (FamilySearch Newsroom)
Ahoana no fomba hampidirako vady na sakaiza ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no fomba hampidirako ray na reny ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?