Ao anatin’ny Arbre familial dia misy sary famantarana samihafa maneho ny satan’ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny olona iray.
Sary famantarana | Dikany |
![]() | Ireo ôrdônansy dia nozaraina tamin’ny tempoly na nozaraina tamina vondrom-pianakaviana iray izay misy anao. Afaka mamandrika ireo ôrdônansy ireo ianao, ary avy eo ianao dia manana 120 andro hamitana izany. |
![]() | Manana rohim-pifandraisana aminao ilay olona, ary misy ôrdônansy azo angatahana. Manana 2 taona ianao hamitana ireo ôrdônansy. Raha teraka tao anatin’ny 110 taona farany ilay olona,dia mila mangataka lalana amin’ny havana akaiky indrindra izay mbola velona ianao alohan’ny hanatanterahana ny ôrdônansy. Mba diniho tsara ny fihetseham-pon’ny hafa. Misy olona akaiky kokoa noho ianao ve afaka manao io asa io? Azonao atao angamba ny manasa azy ireo handray anjara. |
![]() | Efa nofandrihana ilay ôrdônansy. Arahina mari-pamantarana fohy misy fampahalalana bebe kokoa ny sary famantarana: Tsy natao printy. Nofandrihana, fa tsy mbola vita printy ilay karatra misy ny anarana. Mety ho azonao atao ny mifandray amin’ilay olona nangataka ilay ôrdônansy ary mangataka azy hizara izany aminao. Natao printy. Nisy karatra misy ny anaram-pianakaviana natao printy ho an’ity ôrdônansy manokana ity. Raha manapa-kevitra ny hizara ilay ôrdônansy ianao dia poteho azafady ny karatry ny anaram-pianakaviana. Ny fanapotehana ireo karatra dia manakana ilay ôrdônansy tsy hiverimberina. Nozaraina. Nofandrihanao io ôrdônansy io saingy nozarainao tamin’olon-kafa izany avy eo na angamba tany amin’ny tempoly. Afaka manafoana ny fizarana ilay ôrdônansy ianao raha tsy hoe namoaka ny karatra misy ny anarana ny Tempoly na misy olona hafa namandrika izany. Eo am-piandrasana. Tanteraho araka ny filaharany marina ireo ôrdônansin’ny tempoly. Ny hoe eo an-dalam-panatanterahana dia midika fa misy ôrdônansin’ny tempoly hafa tsy maintsy vitaina alohan’ny ahafahanao manatanteraka ny ôrdônansiny izay kasainao hatao. |
![]() | Tsy misy ireo ôrdônansy ireo. Mitadiava mari-pamantarana fohy eo anilan’ilay sary famantarana izay manazava hoe: Mila fanampim-panazavana. Misy zavatra tsy ampy. Mila ampiana na ahitsy ny fampahalalana voarakitra momba an’io olona io alohan’ny hanatanterahana ny ôrdônansy. Tsy mbola vonona. Nodimandry latsaky ny 30 andro ilay olona resahina. Tsy mbola azo tanterahina ireo ôrdônansin’ny tempoly. |
![]() | Vita na tsy ilaina ilay ôrdônansy. |
![]() | Tsy misy ny toetoetry ny ôrdônansin’ilay olona, na tsy manana rohim-pifandraisana amin’ilay olona ianao. Amin’ny toe-javatra sasany dia niaina talohan’ny 200 taorian’i J.K. ilay razambe. Na ny fitsipika mifehy ny tsiambaratelo dia manakana ny FamilySearch tsy hampiseho ilay fampahalalana. Ho an’ny famehezana any amin’ny tempoly dia angamba tsy ampy vady na ray na reny voatanisa ao amin’ny Arbre familial ilay razambe, na mbola velona ilay vady. |
Lahatsoratra mifandray aminy
Ahoana no fomba hangatahako ôrdônansy ho an’ny razambe iray izay teraka tao anatin’ny 110 taona farany?
Ahoana no fomba izarako anaram-pianakaviana amin’ny tempoly?
Ahoana no fomba hizarako ny anaram-pianakaviako amin’ny fianakaviana sy ireo namako amin’ny alàlan’ny email?
Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no heverina ho “teraka tao anatin’ny fanekempihavanana” (TAF) ny zaza iray?
Inona no dikan’ilay satan’ny ôrdônansy manao hoe “Tsy Vonona”?
Midika inona ilay hoe “Mila fanampim-panazavana” ao amin’ny Arbre familial ?
Asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny zaza rano