Ahoana no hikarohako firaketana ao amin' ny Katalaogy?

Mitarika ho amin' ny firaketana maro ahitana fampahalalana momba ny tetiarana ny Katalaogin' ny FamilySearch ireo. Azo karohina ao amin' ny internet, na azo karohina mivantana any amin' nyTranombokin' ny FamilySearch ireo firaketana.

Hita ao amin' ny FamilySearch ny katalaogy. Teo aloha, dia navoaka amin' ny kapila na mikrofisy ny katalaogy. Efa lany daty anefa ny kapila sy ny fisy.

Efa natao azo jerena ao amin' ny OCLC WorldCat koa ny Katalaogy nanomboka tamin' ny 2014. Mitambatra ao amin' ny OCLC WorldCat ny katalaogy misy lohateny 2 lavitrisa, avy amina tranomboky 72 000, any amin' ny tany sy faritany 172. Ao amin' ny toerana fakana referansa maromaro ny lisitry ny loharano OCLC WorldCat.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin' ny FamilySearch.
  2. Eo amin' ny firafitra eny ambonin' ny efijerinao, tsindrio ny hoe Hikaroka.
  3. Eo amin' ny firafitra miseho eo, tsindrio ny hoe Katalaogy.
  4. Ataovy voafaritra kokoa ny fikarohanao. Afaka mampiasa sivana maro araka izay tianao ianao.
    • Toerana: Rehefa manoratra ianao, dia hasehon' ny programa eo ny mety hifanandrify aminy. Tsindrio ny iray amin' ireo toerana izay mahaliana anao.
    • Anarana: Mitadiava katalaogy ahitana anarana. Raha tsy mahafa-po anao ny valiny, dia andramo indray ireto karazana fikarohana ireto:
      • Ampidiro eo amin' ny anarana ny teny fototra amin' ny fikarohanao.
      • Raha hitady ny mombamomba ny olona na ny filazalazany momba ny tenany ihany, dia andramo karohina ilay nanoratra azy.
      • Andramo ovaovana ny fanoratana ny anarany rehefa mikaroka azy. 
    • Lohateny: Karohy ireo teny nampidirinao tao amin' ny lohateny. Tsy voatery ho fantatrao ny tena filaharany.
    • Mpanoratra: Ampidiro ny anarana sy ny fanampin' anarana.
    • Foto-kevitra: Mampidira teny iray na maromaro mitambatra mba hilazalazana ny mombamomba ny tetikasa fikarohana iray. Hikaroka katalaogy misy an' ilay foto-kevitra ahitana an' ireo teny nampidirinao ny programa. Raha tsy hitanao ny valiny andrasanao, dia andramo karohina amin' ny alalan' ny teny fototra indray.
    • Teny Fotora: Tadiavo ireto sokajy ireto rehefa hikaroka amin' ny alalan' ny teny fototra.
      • Fanamarihana (toy ny fanamarihana ao amin' ny horonantsary)
      • Andiany
      • Foto-kevitra
      • Fanambarana Andraikitra
      • Mpanoratra
      • Lohateny
    • Nomerao Iantsoana
    • Image Group Number (DGS) na Fiche Number: Aza asiana aotra eo amin' ny voalohany.
  5. Mampidira fampahalalana eo amin' izay sokajy fidinao.
  6. Mbola afaka manisy sivana eo amin' ny valim-pikarohanao koa ianao raha manindry fomba iray eo ambanin' ilay hoe Fisiany.
    1. Raha hijery firaketana azo jerena ao amin' ny internet fotsiny, dia tsindrio ny eo akaikin' ilay hoe Internet.
    2. Raha hitady horonantsary bitika any amin' ny ivontoerana manokan' ny tantaram-pianakaviana, dia tsindrio ny eo akaikin' ilay hoe Ivon-toerana FamilySearch. Avy eo manindria ivon-toerana iray eo amin' ilay lisitra.
  7. Tsindrio ny hoe Hikaroka.
  8. Manindria foto-kevitra iray eo amin' ny valim-pikarohana:
    • Eny ambony ny fampahalalana momba an' ilay boky.
    • Ahitana fampahalalana momba an' ilay firaketana sy rohy mankany amin' ny endrika nomerika ny eo amin' ny Fanamarihana.
    • Ahitana horonantsary bitika na laharan' ny mikrofisy, Sarin' ny Laharan' ny Vondrona (DGS), ary ny endrika mbola misy nyHoronantsary na Fanamarihana Nomerika sy ny Kopia. Hita eo amin' ilay boky ny toerana misy azy ao amin' ny Tranombokin' ny FamilySearch.
      • Indraindray dia misy hafatra toy izao eo: "Ity ivon-toerana FamilySearch ity dia manana horonantsary na fisy [isa] amin' ny [isa]." Ny endrika an-taratasin' ireo horonantsary na mikrofisy no tian' io hafatra io horesahina, fa tsy ny endrika nomerika. Ny lisitry ny laharan' ny Tranombokin' ny FamilySearch ao Salt Lake City, Utah, USA no tonga dia miseho eo. Raha te hijery tranomboky hafa manana kopia, dia tsindrio ilay flesy manondro ambany.
        Ahitana sarisary vitsivitsy ny eo amin' ny Horonantsary na Fanamarihana Nomerika:
        • Famantarana fanaovana fikarohana: Efa ao amin' ny indeksa ny tapany sasany amin' ilay firaketana. Noferana ny indeksa sasany. Tsy afaka mikaroka indeksa noferana ianao.
        • Sarina fakan-tsary: Hijery horonantsary nomerika. 
        • Sarina fakan-tsary misy lakile: Afaka mijery horonantsary nomerika ianao, saingy voafetra ny zavatra hitanao.
        • Sarina horonantsary: Tsy misy ao amin' ny internet ny sary amin' ny endrika nomerika. Fa misy amin' ny endrika horonantsary.

Dingana (application mobile)

Tsy misy fiasa Katalaogy ao amin' ny application Family Tree.  

Dingana (Family Tree Lite)

Tsy misy fiasa Katalaogy ao amin' ny Family Tree Lite.

Lahatsoratra mifandray

Inona no dikan' ny Fanamarihana na Horonantsary na Fanamarihana Nomerika ao amin' ny Katalaogy?
Raha te Hanatsara ny Fomba Fanaovanao Fikarohana dia: Fantaro Tsara ny Mombamomba ny Pejin' ny Firaketana

Nanampy anao ve ity?