Ahoana no hahazoako fanampiana ao amin' ny tranonkalan' ny mpiara-miasa na ny application-ny?

Miara-miasa amina fikambanana isankarazany ny FamilySearch. Afaka manampy anao hampiasa ny Famahana Olana sy hahazo ny vokatra vokarin' ireo mpiara-miasa ny Mpanohana ao amin' ny FamilySearch. Raha mila fanampiana amin' ny fampiasana ny vokatr' ireo mpiara-miasa ianao amin' izao, dia mifandraisa amin' izy ireo azafady.

Efa nomen' ireo mpiara-miasa ao amin' ny Famahana Olana FamilySearch ny fomba ahafahana mifandray amin' izy ireo. Hita ao ny adiresy email an-dry zareo, ny tranonkalany, ny nomerao telefaonina, na ny kaodiny.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin' ny Famahana Olana ao amin' ny FamilySearch.
  2. Tadiavo ilay mpiara-miasa tianao hifandraisana.
  3. Tsindrio ny sarin' ilay mpiara-miasa, avy eo sokafy ny fampahalalana.
  4. Midina eny ambany mandra-pahitanao soratra hoe Mpanohana amin' ny Famahana Olana.

Dingana (application mobile)

Raha te hiditra ao amin' ny Famahana Olana ianao, dia sokafy amin' ny alalan' ny navigateur-nao ny tranonkala FamilySearch.org

Dingana (Family Tree Lite)

Ampiasao ny tranonkala fenon' ny FamilySearch.org raha te hiditra ao amin' ny Famahana Olana ianao.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hitadiavako ny vokatr' ireo mpiara-miasa?
Nahoana ny FamilySearch no miara-miasa amin' ny fikambanana hafa?

Ny mombamomba ny fifandraisana amin' ny mpiara-miasa

Mety mbola tsy vita fanavaozana ireto fomba ifandraisana amin' ny mpiara-miasa ireto; nomena anao anefa ireo mba hahasoa anao.

Ancestry.com

Manana tranonkala Ancestry hafa ny tany sasany, ka ao amin' io tranonkala io ihany no ahitanao ny fomba ifandraisana aminy

findmypast

MyHeritage

AmericanAncestors.com

Geneanet

Misy amin' ny fiteny maro ny Geneanet. Toy izao ny fomba hahitana ny fanampiana amin' ny fiteninao:

Filaehttps://en.filae.com/assistance/

moduleTitle