Fampisehoana ny vady tokony ho izy
Rehefa manana vady mihoatra ny iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ny olona iray ka tsy miseho ao amin’ny tsanganana tokony ho izy ao amin’ny Fampifandraisana Loharano izany, dia araho ireo toromarika etsy ambany mba hanovana ny vady ka hampisehoana ilay vady tokony ho izy.
- Tadiavo eo amin’ny tsanganana ankavanana ny vady tsy izy.
- Eo ambanin’ilay vady tsy izy, safidio ny hoe Hanova ny vady, dia safidio ny vady tokony ho izy avy eo.
- Raha toa ka tsy mifanitsy amin’ny olona tokony ho izy eo amin’ny ankavanana ny fampahalalana eo amin’ny ankavia, dia akisaho ary avotsory ao amin’ny toerana marina ilay fampahalalana.
Raha toa ka tsy hitanao ny vady tokony ho izy:
- dia miverena ao amin’ny pejin’ilay olona ary hamarino ireo vady. Raha mbola tsy mahita ny vady tokony ho izy ihany ianao dia ampiasao ny raki-tantara mba hahitana ny fampahalalana momba an’ilay vady tsy ao.
- Ampidiro amin’ny alalan’ny fampiasana izany fampahalalana izany ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ilay vady tsy tao.
- Miverena ao amin’ny Fampifandraisana Loharano ary apaingory ilay loharano.
Fampisehoana ny zanaka tokony ho izy
Ny zanaka eo amin’ny tsanganana havanan’ny Fampifandraisana Loharano dia miankina amin’ny ray aman-dreny miseho. Raha toa ka tsy mahita ny zanaka heverinao fa tokony ho eo ianao dia mety lasa any amina vady hafa izy izay. Mba hijerena ireo zanaka ireo dia:
- safidio ny Hanova ny vady, ary safidio ny vady izay ray na renin’ilay zanaka tianao ho hita. Raha toa tsy miseho ho toy ny safidy azo safidiana ny vady tokony ho izy dia mety mila mampiditra ilay vady ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao izay.
- Raha toa ka tsy mifanitsy amin’ny olona tokony ho izy eo amin’ny ankavanana ny fampahalalana eo amin’ny ankavia, dia akisaho ary avotsory ao amin’ny toerana marina ilay fampahalalana.
Fanapaingorana ny loharano
Ho an’ny olona rehetra ao amin’ny tsanganana ankavia izay manana fifandraisana amin’ny eo amin’ny ankavanana dia:
- safidio ny Hampitaha.
- Hamarino ny fampahalalana.
- Raha toa ka ohatran’ny tsy marina ilay fampahalalana dia hazavao ny antony hanapaingoranao ilay loharano ao amin’ny efajoro hoe Antony hanapaingorana ny loharano.
- Raha hanapaingotra ny firaketana amin’ilay olona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, dia safidio ny hoe Hanapaingotra.
Raha toa ka voamarinao fa mifandray amina ray na reny tsy azy ny zaza iray, dia araho ny torolalana ao amin’ny Ahoana no hanitsiako fifandraisana ray na reny sy zanaka ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana? Rehefa lasa marina ireo fifandraisana dia miverena ao amin’ny Fampifandraisana Loharano ary apaingory ireo loharano.
Nahoana aho no mahita ny sary famantarana tsy fetezana?
Ny sary famantarana tsy fetezana dia afaka miseho noho ny antony maro: ohatra, mety efa mipaingotra amina olona hafa ny loharano ezahanao apaingotra.
- Amin’ny ankapobeny dia misy fanazavana ilay tsy fetezana eo amin’ny ankavian’ilay sary famantarana tsy fetezana. Raha tsia, dia batao ho eo amin’ilay sary famantarana ny curseur mba hahitana ny fanazavana.
Rehefa sendra vady maro, dia mety hahita sary famantarana tsy fetezana mandritra ny fotoana voafetra ihany koa ianao rehefa misy zanaka avy amin’ny vady samihafa ny firaketana iray. Tsy misy na inona na inona mila ataonao rehefa sendra izany tranga izany. Vantany vao miverina amin’ilay vady izay ray na renin’ilay zanaka ianao dia hanjavona ilay sary famantarana.