Raha mpitantana vondrom-pianakaviana iray ianao dia afaka mampandeha hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana ho an’ny vondrona iray efa misy. Ilay hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana dia mamela ireo mpikambana ao amin’ny vondrona hanorina sy hijery hazon’ny tetiarana mitovy, ahitana olona ao amin’ny fianakaviana mbola velona ary koa hijery ny fomba ifandraisan’izy ireo amin’ireo razambeny ao amin’ny hazon’ny tetiarana hitan’ny besinimaro.
Tsy mbola misy ao amin’ny application ho an’ny finday iOS io endri-javatra io.
Ireo dingana (tranonkala)
- Tsindrio ao amin’ny FamilySearch.org ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
- Fidio ny Vondrom-pianakaviana.
- Tsindrio ilay vondrom-pianakaviana.
- Tsindrio ny Hanova zavatra ao amin’ny vondrona.
- Tsindrio ny Hanome lalana io vondrona io hiara-hiasa hiasa ao anatin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.
- Vakio ny fampahalalana momba ny fifanekena, dia tsindrio avy eo ireo efajoro fasiana marika miisa 2.
- Tsindrio ny Hitahiry.
- Tsindrio ny Hisafidy Olona.
- Tsindrio ny efajoro fasiana marika ao amin’ny vakizoro efamira momba ny olona tsirairay izay tianao ampidirina ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Ampiasao ireo bokotra miendrika zana-tsipìka eo amin’ny clavier mba hampisehoana ny mpiray tam-po, ny zanaky ny mpiray tam-po amin’ny ray aman-dreny, ny nenitoa ary ny dadatoa eo amin’ilay tabilao.
- Tsindrio ny Handika ao amin’ny vondrona.
- Tsindrio ny Hanohy hatrany amin’ny Rohim-pianakaviana.
Handefasana hafatra ny mpikambana rehetra ao amin’ilay vondrom-pianakaviana hoe efa misy io hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana vaovao io. Ho afaka ny hahita sy hanova ny fampahalalana momba ireo olona velona ao amin’io hazon’ny tetiarana io izy rehetra.
Ireo dingana (application ho an’ny finday)
Fanamarihana: Na dia afaka mamorona vondrom-pianakaviana ao amin’ny application Arbre familial ho an’ny finday ho an’ny Androïd aza ianao, dia tsy afaka mizara ireo hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Mandra-pampidirana io endri-javatra io ao amin’ny application ho an’ny finday Androïd, dia mamporisika anao izahay hampiasa ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ao amina mpitety tranonkala aloha.
- Sokafy ilay endrin-javatra maneho ny vondrom-pianakaviana ao amin’ny application Arbre familial ho an’ny finday iOS:
- Apple iOS: Tsindrio ny Misimisy kokoa.
- Androïd: Eo amin’ny tapany ambony ankavia eo amin’ny efijery, tsindrio ny tsipika 3.p
.
- Tsindrio ny Vondrom-pianakaviana.
- Tsindrio ny vondrona tianao.
- Tsindrio ny … .
- Tsindrio ny Hanova ny antsipirian-javatra momba ny Vondrona.
- Tsindrio ny Hanome lalana io vondrona io hiara-hiasa ao anatin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.
- Amin’izao fotoana izao dia misy ao amin’ny application Arbre familial ho an’ny finday iOS io safidy io.
- Raha tsy hitanao io safidy io dia mety mila manavao ilay application ianao.
- Tsindrio ireo efajoro fasiana marika mba hanehoana ny fanekena.
- Tsindrio ny Hitahiry
Raha hanana hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana ilay vondrona dia fidio ny olona ampidirina ao amin’ny hazon’ny tetiarana:
- Raha ny tenanao ihany no ampidirina ao amin’io Hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana io, dia tsindrio ny Handika ny tenako fotsiny. Raha handika olona avy amin’ny lisitry ny olona tsiambaratelonao dia tsindrio ireo anarana ary tsindrio ny Handika ireo voafantina.
- Tsindrio ny Hanohy hatrany amin’ny Hazon’ny tetiarana.
- Tsindrio ny Hivadika.
Lahatsoratra mifandray amin’ireto
Ahoana no hamoronako vondrom-pianakaviana na hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray?