Manana fahafahana hampiditra fanambarana antony ianao isaky ny mamafa na manitsy, na manampy fampahalalana efa voarakitra ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakavian’ny FamilySearch.
- Ny fanambarana antony amin’ny teny mazava dia manampy ireo mpampiasa hafa hahatakatra ny antony nanovanao ny Tetiarana, ary izy ireo kosa dia tsy ho mora alaim-panahy hanafoana na hanova ny asanao.
- Tsy ilaina ho be haingon-teny na atao lava be ny fanambarana antony ataonao.
- Tsara ny fohy—raha tahiany mazava sy voafaritra tsara ny fanambarana.
