
Ity safidy ity dia hiseho ao amin’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra raha misy fampahalalana momba ny olona iray avy amin’ny firaketana (tsanganana havia amin’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra) izay tsy ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana (tsanganana havanana).
- Raha te hampiditra ny mombamomba ilay olona ao amin’ny tetiarana dia tsindrio ny bokotra Hampiditra .
- Hisy takelaka hiseho eo amin’ny ilany havanana amin’ny pejy misy fampahalalana momba ilay olona vaovao efa feno. Avereno jerena izany, ary ampio ireo pitsopitsony ilaina.
- Mba hampidirana olona ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana dia tsindrio ny Hitahiry.