Tsy mitaky dingana manokana ny famandrihana ôrdônansy izay nozaraina tamin’ny tempoly. Jereo ny fampahafantarana momba ny ôrdônansin’ilay olona toy ny mahazatra anao ao amin’ny tranonkala FamilySearch na ao amin’ny application Arbre Familial. Raha misy ôrdônansy manokana mampiseho sary famantarana ny tempoly miloko maitso misy famantaranandro, dia azo angatahina ilay izy. Raha misy sary famantarana ny tempoly miloko manga ilay ôrdônansy dia tsy azo angatahina ilay izy.
Fanamarihana:
- Tsy maintsy misy rohim-pifandraisana aminy ilay olona mizara ny anarana amin’ny tempoly. Tsy toy izany kosa ilay olona manao ilay ôrdônansy.
- Raha toa ka mamandrika ôrdônansy izay efa nozaraina tamin’ny tempoly ianao dia tsy azo zaraina indray amin’ny vondron’ny fianakaviana na olon-kafa izany ôrdônansy izany. Ho hitanao ity hafatra ity raha manandrana mizara izany indray ianao: “tsy afaka mizara indray.”
- Raha te hizara ireo ôrdônansy amin’ny vondron’ny fianakaviana iray ianao dia esory amin’ny tempoly ny ôrdônansy ary zarao indray amin’ny vondron’ny fianakaviana izany avy eo.
Sary famantarana | Dikany |
![]() | Nozaraina tamin’ny tempoly ilay ôrdônansy ary azo angatahina. Raha mamandrika ny iray amin’ireo ôrdônansy ireo ianao dia lany daty afaka 120 andro ny famandrihanao. Raha tsy afaka mamita ilay ôrdônansy ianao ao anatin’ny 120 andro dia miverina any amin’ny tempoly ilay ôrdônansy. |
![]() | Raha tsy azo angatahina ilay ôrdônansy dia mampiseho sary tempoly famantarana miloko manga ny Arbre familial. Ireto misy antony vitsivitsy mahatonga anao tsy afaka hamandrika ilay ôrdônansy:
|
Lahatsoratra mifandray
Ahoana no fomba hangatahako na hamandrihako ôrdônansin’ny tempoly ao amin’ny Arbre Familial?
Nisy olona namandrika ireo ôrdônansy ho an’ny havako akaiky
Nisy olona namandrika ny ôrdônansy izay tiako hatao
Ahoana no ahafahako mijery ny ôrdônansin’ny razambeko ao amin’ny Arbre familial?
Ahoana no fomba hanafoanako ny fizarana anaram-pianakaviana iray tamin’ny tempoly?