Ahoana no hamafako ny kaontiko FamilySearch?

Azonao fafana avy ao amin' ny Fanamboarana ny Kaontinao FamilySearch.

Alohan' ny hanombohanao

  • Tsy afaka mamerina indray ny kaonty voafafa izahay.
  • Raha fafanao ny kaontinao, dia tsy hanana zo hiditra ao amin' ny resadresaka, loharano, fahatsiarovana, ary tsy ho afaka hampakatra GEDCOM ianao.
  • Raha manana kaonty FamilySearch mihoatra ny iray ianao, dia tsy afaka manambatra azy ireo izahay.
  • Raha fafanao ny kaontinao, dia tsy hahita an' ireto fampahalalana ireto ao amin' ny Rafi-tetiarana ianao:

    • Olona mbola velona na tsy miafina ao amin' ny Rafi-tetiarana
    • Ny Lisitry ny Mpanaraka Anao
    • fampahalalana ao amin' ilay hoe "Ny Nampidiriko"
    • Tatitra momba ny fanaovana indeksa
    • Asa
    • Hafatra
    • Fampahafantarana

Inona no fafan' ilay programa?

  • Ny kaontinao sy ny fanamboarana ao
  • Ny fahafahanao manova ireo zavatra nampidirina ao amin' ny FamilySearch.org
  • Isaky ny indeksa sy mpanamarina

Inona ihany no tavela?

  • Ireo fanazavana nampidirinao ao amin'ny Rafi-tetiarana
  • Ireo fahatsiarovana nampidirinao (sary, tantara, tahirin-kevitra, raki-peo)
  • Ireo GEDCOM nampakarinao

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin' ilay kaonty FamilySearch tianao hofafana.
  2. Tsindrio ny anaranao eny ambony amin' ny sisiny ankavanana, avy eo tsindrio ny Fanamboarana.
  3. Tsindrio ilay hoe Kaonty, avy eo midina eny ambany.
  4. Tsindrio ny hoe Hamafa Kaonty.
  5. Hisy pejy vaovao hisokatra. Mba hanamarinana fa tianao hofafana tanteraka tokoa ny kaontinao, dia tsindrio ny hoe Hanohy.
  6. Mba hanamarinana ny mombamomba anao, dia ampidiro ny solon' anaranao sy ny kaodinao.
  7. Tsindrio ny hoe Hamafa Kaonty.

Dingana (application mobile)

Afaka mamafa ny kaontinao amin' ny alalan' ny application FamilySearch Family Tree amin' ny fitaovana Apple iOS ianao. Raha Android ny fitaovanao, dia ampiasao ny tranonkala.

  1. Sokafy ny application FamilySearch Family Tree ao amin' ny fitaovanao.
  2. Tsindrio ilay tsipika 3 eny ambany ankavanana.
  3. Kitiho ny hoe Fanamboarana.
  4. Kitiho ny hoe Kaonty.
  5. Midina eny amin' ny farany ambanin' ny efijerinao ary kitiho ny hoe Hamafa Kaonty.
  6. Vakio ilay hafatra ary kitiho ny hoe Hanohy.
  7. Midira mba hanamarinana ny mombamomba anao.
  8. Kitiho ny hoe Hamafa Kaonty.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanamboarako ny mahakasika ahy manokana ao amin' ny FamilySearch?

Nanampy anao ve ity?