Avy aiza no ahazoan’ny Ordônansy Vonona anarana?

Share
0:00 / 0:00
videoCompanion
Ordinances Ready: Updates and Algorithms

Ny endri-javatra Ordônansy Vonona dia manampy anao hahita anarana mora foana ho an’ny dianao manaraka mankany amin’ny tempoly. Ireo anarana nomena dia mety avy amin’ny fianakavianao manokana, na mety ho anarana izay nozarain’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa tany amin’ny tempoly. 

Raha lazaina amin’ny antsipiriany, ny endri-javatra Ôrdônansy Vonona dia mikaroka ao amin’ireto toerana ireto:

  • Lisitry ny anaran’ny fianakavianao (na “lisitry ny tempoly” na “lisitry ny famandrihana”): anarana izay nofandrihanao tao amin’ny Rafi-tetiarana. Ao amin’ny lisitry ny anaram-pianakavianao ireo anarana.
  • Anaram-pianakaviana izay nozarainao tamin’ny vondrom-pianakaviana iray: anarana izay nofandrihanao sy nozarainao tamin’ny vondrom-pianakaviana iray.
  • Anaram-pianakaviana nozaraina tamin’ny vondrom-pianakaviana iray izay misy anao: anarana izay nozarain’ny olona iray hafa tao amin’ny vondrom-pianakaviana izay misy anao.
  • Ny anaram-pianakavianao izay nozarainao tamin’ny tempoly: anarana izay nofandrihanao tao amin’ny Rafi-tetiarana ary nozaraina tamin’ny tempoly. Tsy mbola nanao printy ny anarana nozaraina ny tempoly iray, koa ny endrin-javatry ny Ôrdônansy Vonona dia manafoana ny fizarana ilay anarana mba hahafahanao manao printy ilay karatra.
  • Anaran’ireo olona misy rohim-pihavanana aminao. Nisy olona nizara ireo anarana tamin’ny tempoly: anarana ao amin’ny rafi-tetiaranao ary nofandrihan’olon-kafa. Nizara ireo anarana tamin’ny tempoly ilay olona.
  • “Tempoly maitso” avy ao amin’ny rafi-tetiaranao: Ny Ôrdônansy Vonona dia mijery taranaka 10 amin’ireo razambenao sy taranaka 5 amin’ireo taranak’izy ireo mba hanatanterahana ôrdônansy tsy feno. Raha mijery ao amin’ny Rafi-tetiarana ianao dia mampiseho sary famantarana ny tempoly maitso ireo anarana. Alohan’ny hanomezana anao ny iray amin’ireo ôrdônansy ireo, ny FamilySearch dia maka antoka fa tsy misy verin-droa ho an’ilay firaketana.
  • Paroasy misy anao: Ireo dia anarana nozarain’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy misy anao tamin’ny tempoly.
  • Tsatòka misy anao: Ireo dia anarana nozarain’ireo mpikamban’ny tsatòka misy anao tamin’ny tempoly.
  • Anarana tsy misy rohim-pihavanana aminao izay nozaraina tamin’ny tempoly. Raha tsy misy ôrdônansy azo avy amin’ny loharano hafa, dia haka ireo ôrdônansy izay natolotry ny mpitsidika rehetra tamin’ny tempoly ny Ordônansy Vonona. Ireo ôrdônansy avy amin’ny lisitra an’ny tempoly ireo dia homena araka ny filaharana nanolorana azy tamin’ny tempoly.

Ny Ordônansy Vonona dia tsy hahitana anarana avy amin’ny rafi-tetiaran’ny vady. Mba hanontana printy ireo karatra misy ny anaram-pianakaviana ho an’ny vady, dia mangataha fahazoan-dalana ho lasa mpanampy an’io olona io. Ampidiro ao amin’ny Fandrindram-potoanao ilay olona. Avy ao amin’ny Fandrindram-potoana ianao dia afaka mampiasa ny Ôrdônansy Vonona sy manao printy karatra ho an’ny vady.  

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba ahitako anaram-pianakaviana ho an’ny tempoly avy ao amin’ny Ôrdônansy Vonona?
Aiza no ahitako ny fahalanian’andro ho an’ireo ôrdônansy nataoko famandrihana?
Ahoana no fomba hizarako ny anaram-pianakaviako amin’ny fianakaviana sy ireo namako amin’ny alàlan’ny email?
Ahoana no fomba hizarako anaram-pianakaviana amin’ny tempoly?

Nanampy anao ve ity?