
Nampianay loko ireo rohy sy bokotra isan-karazany mba hanampiana ireo mpampiasa hahatakatra tsara kokoa ny safidiny.
- Ny bokotra maitso Hampiditra dia natao hampidirana olona iray ao amin’ny firaketana ara-tantara ao amin’ny Hazon-tetiaran’ny FamilySearch. Raha toa ka efa ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ilay razambe, ny bokotra maitso Hampiditra dia natao hampidirana antsipiriany na zava-nitranga ao amin’ny pejin’ny razambe iray.
- Ny bokotra volomparasy Hampitaha dia natao hanapahan-kevitra raha toa mitovy amin’ny olona ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ilay olona ao amin’ny firaketana. Raha izany no izy, dia azonao atao ny mipaingotra ilay firaketana amin’ny mombamomba ilay olona.
- Ny bokotra Hanala dia natao hanesorana ny fifandraisana misy eo amin’ny firaketana ara-tantara sy ny olona ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana. Hanao izany ianao raha hitanao fa tsy mitovy amin’ilay olona voalaza ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ny olona ao amin’ny firaketana ara-tantara.

Namorona takelaka fijerena mitokana izahay eo amin’ny ilany havanana amin’ny efijery mba hijerena ny firaketana sy ny mombamomba ny olona avy amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana.
- Fanampiana manan-danja ho an’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra ny takelaka satria hahafahanao hijery ity fampahalalana ity nefa tsy miala amin’ny fitaovana.
- Misokatra ny takelaka rehefa manindry ny anaran’olona ianao na manindry ny bokotra hijerena ilay firaketana.