Famaritana raha mifanaraka amin’ny razambenao ny loharanon-kevitra iray

source match Top Image.png

Tsy moramora ny mamantatra ilay loharanao mifanaraka amin’izay tadiavina. Ireto misy torolalana vitsivitsy avy amin’ny manam-pahaizana hanampiana anao hamantatra raha toa mifanaraka amin’ny razambe iray ny firaketana iray na tsia:

  • Manontania tena hoe: “Mifanaraka tsara amin’ny loharanon-kevitra ve ireo daty manan-danja sy toerana, ary fifandraisana efa voarakitra ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana?”
  • Manontania tena hoe;“Moa ve ampy ny fampahalalana hahafahana manatsoaka hevitra fa ny firaketana sy ny hazon-tetiaram-pianakaviana dia mamaritra olona iray ihany?” Ny firaketana ny fanolorana ao am-piangonana sasany ohatra, dia mitanisa ny anaran’ny reny na ny ray nefa tsy misy fampahalalana manan-danja hafa, toy ny taona na daty nahaterahana. Na dia manan-danja aza ny anarana dia tsy hevitra tsara velively ny manatsoaka hevitra fa ny loharanon-kevitra iray dia mahakasika olona iray ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana izay mifototra amin’ny anarana fotsiny.
  • Manontania tena hoe: “Misy saina mena lehibe ve?” Diniho ohatra, ny toe-javatra iray ao amin’ilay firaketana izay toa mifanandrify amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ny ankamaroan’ny antsipiriany—afa-tsy ny taona nahaterahana, izay misy elanelana 15 taona. Amin’izay fotoana izay dia mety ho an’ny zanak’olo-mpiray tam-po tokoa ilay firaketana.
  • Manontania tena hoe: “Azo antoka tsara ve ilay firaketana?” Amin’ny ankapobeny, ny firaketana ara-tantara akaiky indrindra amin’ny zava-nitranga no azo itokisana indrindra. Ohatra, ny firaketana momba ny fahaterahana dia azo itokisana kokoa noho ny firaketana momba ny fahafatesana izay mety ahitana fampahalalana momba ny fahaterahana ihany koa.

Farany, tadidio fa ny fahadisoana dia mety ho matetika kokoa amin’ny karazana firaketana sasany noho ny an’ny hafa. Ohatra, ny mpanao fanisam-bahoaka dia mety nanoratra anarana nefa tsy nanontany ny fomba fanoratra azy ireny. Na mety ho tombantombana ny taonan’ny olona iray.
Amin’ny kopia nahaterahana, mifanohitra amin’izany, dia azonao antenaina fa azo itokisana kokoa ny antsipiriany toy izany.

Nanampy anao ve ity?