Ahitana tsanganana havia sy tsanganana havanana ny fampifandraisana loharanon-kevitra.
- Ny tsanganana havia dia mampiseho anao ny antsipirian’ny firaketana ara-tantara.
- Ny tsanganana havanana dia mampiseho anao ny antsipirian’ny pejin’ny razambe ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana. Raha mbola tsy ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ilay razambe dia hahita safidy hampidirana ilay razambe ianao.

Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra dia mampiasa Fampifandraisana loharanon-kevitra ianao mba hampidirana ny firaketana amin’ny pejin’ny razambe iray efa misy. Ny firaketana dia porofo entina manambara fa marina ny antsipirian’ny razambe ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana.