Ahoana no fomba hiverenako amin’ny tenako ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Share

Raha toa ianao ka manana razambe betsaka ao amin’ny Rafi-tetiarana dia mety ho mora foana ny ho very. Mba hiverenana hainga amin’ny tenanao ao amin’ny Rafi-tetiarana dia ampiasao ny Nojerena vao tsy ela, Hamerina ny rohim-pianakaviana amin’ny laoniny, tsindrio ny bokotra Hamerina ny fijerena raha hiverina amin’ny tenanao eo amin’ny rohim-pihavanana.

Nojerena vao tsy ela

Miverena amin’ny olona 50 farany nojerenao tao amin’ny Rafi-tetiarana. Ny anaranao foana no eo amin’ny farany ambony amin’ny lisitra.

  • Tsindrio ny anarana mba hampisehoana ny pejin’ilay olona.
  • Tsindrio ny mba hampisehoana ny rohim-pianakaviana.

Renim-pejy na Hamerina ny rohim-pianakaviana amin’ny laoniny

Family Tree Reset Pedigree Button

Miverena amin’ilay olona niantombohana ary akatony ireo rohim-pihavanana izay nosokafana.

Eo amin’ny fijerena ny Razambe voalohany, ny razambe voalohany dia eo amin’ny ambony afovoany indrindra amin’ny firazanana iray an’ny taranaka izay misokatra. Ilay olona ifantohana dia any amin’ny farany ambany amin’ny firazanana iray ana razambe izay misokatra.

Fanamarihana: Ity bokotra ity dia tsy misy ao amin’ny fijerena ny Taranaka.

Hamerina eo afovoany indray na Hamerina amin’ny laoniny ny fijerena

Family Tree Reset View button

Io bokotra io dia mamerina anao any amin’ilay olona iandohana eo amin’ny rohim-pianakavianao. Ireo rohim-pihavanana misokatra rehetra dia mijanona ho misokatra.

Eo amin’ny fijerana ny Razambe voalohany, izy io dia mamerina ny Razambe voalohany ho eny amin’ny farany ambony afovoany amin’ny pejy. Ireo rohim-pihavanan’ny razambe sy taranaka rehetra izay misokatra rehetra dia hijanona ho misokatra. Ity bokotra ity dia tsy hita raha tsy rehefa nosokafanao ireo rohim-pihavanan’ny olona izay tsy ao anatin’ny rohim-pirazananao.

Fanamarihana: Ity bokotra ity dia tsy misy ao amin’ny fijerena ny Taranaka.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hahitako ny firaketana nojereko farany tao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?