Ahoana no fomba ametrahako tenifototra hamantarana olona ao amin’ny vondron’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Share

Mba hahitam-pahombiazana, ny Fahatsiarovana tokana (sary, tantara, na raki-tahiry) momba an’olona velona iray dia azo zaraina amin’ny vondron’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana manokana maro amin’ny alalan’ny famerenana fampiasana tenifototra famantarana tokana iray.

Miseho milahatra eo amin’ilay Fahatsiarovana ny fanamarihana miavaka tsirairay. Ny tranga tsirairay dia mifanaraka amin’ilay laharam-pamantarana tokana an’ilay olona izay mifandray amin’io olona io ao amin’ny vondron’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana misy azy. Ampiasao ireo efajoro kely azo marihana entina hisafidianana izay rehetra mihatra.

Hamerina hampiasa tenifototra famantarana
Ity misy fomba tsara iray hampidirana ao amin’ny raki-tsarinao manokana an’ireo Fahatsiarovana hitanao tao amin’ny vondron’ny hazon’ny tetiarana iraisana.

Toy izao ny fandehan’izany:

  1. Safidio ilay tenifototra famantarana.
  2. Tsindrio ireo teboka telo eo amin’ny sisiny ankavanana ambony.
  3. Safidio ny “Hamerina hampiasa tenifototra famantarana.”

Hisy tenifototra famantarana vaovao fanampiny hilahatra eo amin’io faritra io ihany. Azonao atao amin’izay ny misafidy ilay olona tianao homarihana manokana avy eo amin’ilay lisitra.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hametrahako tenifototra famantarana eo amin’ny fahatsiarovana an’ireo razambeko na ireo havako?
Ahoana no fomba hanampiako na hanesorako tenifototra famantarana hiala ao amin’ny ireo Fahatsiarovana?

Nanampy anao ve ity?